Fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety

«Ampy izay ny fanaovana zinona, herisetra, fandrahonana,…! »


  • Talata 05 Aogositra 2025

Anisan’ny nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Vehivavy

eto Madagasikara na AFJM manoloana ireo tranga maro izay hita sy tena tsapa fa manambany sy manao tsinontsinona ny mpanao gazety ary manohintohina ny fahalalahan'ny mpanao gazety eto Madagasikara. Samy manana ny antsoina hoe" ligne éditoriale" na zotran-dahatsoratra ary misafidy ny "angle" izay fantany fa mifandraika amin'io "ligne éditoriale" mifehy ny gazety izay misy azy. Zon’ny mpanao gazety feno, hoy ny AFJM, ny manontany ireo tompon' andraikitra izay manatanteraka ny hetsika iantsoana mpanao gazety raha misy fanontaniana manitikitika azy na ihany koa misy lohahevitra tiany hampahafantarina ny vahoaka. « Manana ny tandrohasina sy ny fitsipika mifehy azy ny mpanao gazety ka tsy voafehin'ny vola sy fanomezana izay omena azy. Misy ny solon'ny saran-dalana omena ny mpanao gazety fa tsy vidin'ny fahanginana. Safidy malalaka ho an'ireo mampiantso mpanao gazety kosa ny manome na tsia io solon'ny saran-dalana io. », hoy ny hatrany AFJM. Mpanara-maso ny fahefana telo misy: ny fahefana mpanatanteraka (pouvoir exécutif), ny fahefana mpanao lalàna (pouvoir législatif) ary ny fahefam-pitsarana (pouvoir judiciaire) amin’ny maha hery faha-efatra na «4ème pouvoir » ny mpanao gazety. Nahitsy noho izany ny AFJM nampahahatsiahy fa tamberin'andraikitra amin’ny vahoaka ny mpanao gazety fa tsy amin'iza n'iza. « Tsy azo ekena ny fanaovana zinona ny mpanao gazety ! Tsy azo ekena ny fanohintohinana ny fahafahana mikaroka vaovao. Tsy azo ekena ny herisetra na amin'ny endrika inona na inona ampiharina amin'ny mpanao gazety. Avelao ny mpanao gazety hiasa amin-kahalalahana. Zon’ny rehetra ny manao ny "démenti" raha misy ny vaovao heverina fa diso. », hoy hatrany ny Fanambarana. Anisan’ny nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny Ilontsera-Médiateurs des médias et de la communication à Madagascar, fa iharan’ny fandrahonana, tsindry, fampihorohoroana,… ny mpanao gazety. Hatramin’ny fiandohan-taona, am-polony ny tranga fanohintohinan’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny zon’ny mpanao gazety hita, hoy izy ireo. Nanana endrika herisetra ara-batana, ara-tsaina, fanenjehana ara-pitsarana avy amin’ny manam-pahefana. Misy ny tsy fahafahana misitraka vaovao anatin’ny fitoviana, fandrahonana ho faty, fanimbana fitaovana, famafana ireo angom-baovao, fanararaotana ara-nofo, raha ny nambaran’ny Ilontsera hatrany. Nampahatsiahy ny mbola tsy fisian’ny ANRCM (Autorité Nationale pour la Régulation de la Communication Médiatisée) sy ny LAICP (Loi su l’Accès à l’Information à Caractère Public).
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT