Niverina nidina an-dalambe ireo andian’olona manohitra ny fanorenana tsena manara-penitra ao Berary, izay fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika teto Ambovombe Androy omaly alarobia 29 aprily.
Misy toerana 2,18 hektara hananganana ilay tsena, ka trano hazo an-jatony no horavaina. Eo no tsy eken’ireo olona. Nifandona tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana omaly tolakandro, izay nahery vaika satria nisy tamin’izy ireo no voalaza fa nitondra fitaovam-piadiana toy ny lefona sy basy. Nafana ny tora-bato, nisy nanapoaka basy koa avy amin’ireto farany ka nandratra miaramila iray. Namaly bontana nampiasa hery ny mpitandro ny filaminana rehefa nahazo alalana avy amin’ny Prefen’Ambovombe, ka maty voatifitra tamin’izany ilay lehilahy nitam-basy tamin’ireo mpirotaka, hoy ny vaovao azo. Misy loharanom-baovao hafa ihany koa maneho fa 2 ny sivily namoy ny ainy ka ny iray voalaza fa maty teo noho eo. Ny iray hafa kosa araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia maty fa nentin'ny havany nandositra...mbola mandeha moa ny fanadihadiana hamantarana ny tena marina. Nisy ny naratra, izay samy efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Naharitra adiny roa ny sahotaka tany an-toerana androany Nentin’ny namany nitsoaka ny basiny rehefa lavo ity farany, hoy ny vaovao azo. Nitohy ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana nataon’ny mpitandro ny filaminana ary dia niverina amin’ny laoniny ny filaminana taorian’izay. Niroso tamin’ny fandravana ny tsena taloha ny fitaovana vaventy, ho fanombohana ny asa, izay efa nisy fahatarana telo volana raha ny tetiandro teo ampiandohana. Voalaza fa misy olomboafidy voalaza fa ao ambadik’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto, izay efa nigrevy hatramin’ny zoma 24 aprily 2020. Nisy ny ahiahy fa mitazona basy io olom-boafidy io. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ny mpitandro ny filaminana, omaly, rehefa nahazo fahazoandalana, saingy tsy nahitana na inona na inona. Mitohy ny fanadihadiana ataon'ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.