Actualités

Fanoherana ny fampiasana zaza Apetraka anaty dina ny rafitra any SAVA


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Mba haha tompon’andraikitra kokoa ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mikasika ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ao amin’ny faritr’i SAVA dia nisy ny fametrahana rafitra isak’ireo fiadidiam-paritra ao an-toerana ho fanoherana ity fampiasana zaza tsy ampy taona ity.

 

  Ahitana izay rafitra izay avokoa ireo kaominina miisa 32 ao an-toerana. Toy izany koa ireo fokontany miisa 400 dia samy manana ny azy. Misy mihitsy, araka izany, ny didim-pitondrana avoakan’ny kaominina hahafahan’ireo rafitra manara-maso izay fakam-panahy hampiasa zaza tsy ampy taona izay, raha ny fanazavana. Efa miparitaka erak’ireo fokontany ihany koa ny komity ho fiarovana ny ankizy. Ireo rafitra ireo dia apetraka anaty dinam-paritra ihany koa, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT