Fanoherana ny Base Toliara sy Bas Mangoky

«Nanodidina ny 14.000 no isan’ireo mponina namaly ny antso»


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Nanao hetsika hanokafana ny mason’ny fanjakana ifotony sy foibe ny tsy

fankasitrahan’izy ireo ny fikasana hanokatra ny orinasa Base Toliara ao amin’ny distrikan’i Toliara II omaly ireo mponina ao an-toerana notarihin’ny filoha lefitry ny FIMA na Fikambanana Masikoro Arivolahy eto Antananarivo, Elia Rabevahiny. Nisy ny fanambarana ny tsy fahafalian’ireo mponina ao Morombe sy Tanandava ary Ambahikily izay voakasik’ity tetikasa ity, hoy ny fanazavany. Natambatra ny herin’ny distrikan’i Morombe, Toliara I, Toliara II satria ireo no voakasiky ny tetikasa Base Toliara. Niodidina ny 14.000 no isan’ireo mponina namaly ny antso. Nisy koa ny fanaterana taratasy tao amin’ny kaominin’Ankilimalinika nilazana tamin’ny ben’ny tanàna fa tokony zavatra marina no ambarany. Mihazakazaka ankehitriny ny fitondram-panjakana hanao io tetikasa Base Toliara io. Izahay koa miezaka mampiseho hoe ireto ireo mponina fa tsy manaiky io tetikasa io. Sahala amin’izay koa ireo mponina voakasiky ny tetikasa Bas Mangoky. Raha fehezina dia eo ny tsy fahafaliana amin’ny fikirizana hanokatra indray ny tetikasa Base Toliara sy Bas Mangoky fa eo koa ny tsy fahafaliana amin’ny fitsinjarana tsy ara-drariny ireo tanin’ny mponina. Tsy hihemotra hatramin’ny farany izahay, hoy hatrany i Elia Rabevahiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT