Nisitraka fampitaovana maro ny distrikan’Andramasina
Tahaka ireo distrika hafa, nisitraka fampitaovana avy amin’ny Faritra Analamanga ny distrikan’Andramasina. Tao Ampilanonana, an-tampon-tananan’ny kaominina ambanivohitra Andramasina, no natao ny lanonana ofisialy fanolorana fitaovam-panorenana sy fitaovana ho an’ireo kaominina sy fokontany ao amin’ny distrika. Nitarika izany ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, izay nanamafy fa: “Tsy adino velively ny distrikan’Andramasina ary sanatria tsy manavakavaka ny Lehiben’ny Faritra fa izay mangataka dia omena.”. Nomena ireo kaominina miisa folo ny simenitra 240, tafo fanitso 155, vy 145, ary loko 575 kg hoenti-manorina sy manavao fotodrafitrasa toy ny tranompokonolona, tetezana, CEG, Lycée ary biraon’ny kaominina. Efa vita ihany koa ny lalana mirefy 150 km izay nampanampy ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra. Hoy ny Ben’ny tanànan’Andramasina, RAKOTOMANGA Nary: “Miteny ho azy ny sary ary ny asa atao dia tsaraina amin’ny zavabita.” Nampiany ny filohan’ny fikambanana ZADIA, RAVONJINARIVO Thomas: “Noporofoiny tokoa fa tsy misy distrika hadino.” Ankoatra izany, mbola eo am-panaovana ny làlana pavé mirefy 150 metatra ao Talatamaty Andramasina, ny fanavaozana ny CSB2 ao Andramasina, ary ny fanatsarana ny Lycée ao Nosibe Trimoloharano. Nomen’ny Faritra fitaovana ihany koa ireo andrimasompokonolona avy amin’ny fokontany 10: aron’akanjo sy kiririoka 150 ary jiro am-paosy 20 hoenti-manampy amin’ny fanaraha-maso sy fampandriana fahalemana. Tsy adinon’ny Lehiben’ny Faritra ny nanome fitaovam-pianarana sy kitapo ho an’ny ankizy sahirana 60 avy amin’ny CEG sy EPP samihafa ao Andramasina. Manamarika sy manamafy ny fanohizan’ny Faritra Analamanga ny ezaka hanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fiainan’ny mponina ao amin’ny Andramasina, amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana, fanavaozana sekoly sy tobim-pahasalamana, ary fanohanana ny fiarovana ifotony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.