Fanohanana ny tetikasan’ireo tanora

25 miandahy hisitraka ny « Lombao » tohanan’ny QMM


  • Zoma 05 Septambra 2025

Manoka-baravarahana hatrany ho an’ny tanora ny orinasa QMM,

tafiditra amin’ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-monina (RSE). Raikitra nanomboka ny jolay teo ny fandaharanasa LOMBAO hanonana ny tetikasan’ireo tanora, iarahan’ny QMM sy MIARAKAP. Tanora 25 no voafantina tamin’ny fifaninanana, ahitana vehivavy 14 sy lehilahy 11, eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona no voafantina hisitraka ny «Lombao » andiany voalohany rehefa nitondra tetikasa manan-danja amin’ny sehatra maro: fahasalamana, fambolena, fiompiana, jono, asa tanana, indostria, fambolen-kazo, fitantanam-bola ary ny nomerika. Tamin’ireo kandidà 39 nandray anjara, ahitana tetikasa 35 sy orinasa vao misandratra 4, dia ireo 25 no nahavita nandresy lahatra ny mpitsara. Nandalo dingana telo lehibe ny fanombanana: famelabelarana fohy (pitch), fanazavana momba ny drafitry ny tetikasa, ary famahàna olana mifandraika amin’ny etika. Mpitsara 10 no nandray anjara, ahitana manampahefana avy ao an-toerana, teknisiana, ary mpiara-miombon’antoka, niantoka ny mangarahara sy ny fitoviana lenta tamin’ny fitsarana. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, manoloana ny sakana atrehin’ny tanora mpandraharaha, indrindra ny fahasarotana amin’ny fahazoana famatsiam-bola, dia nametraka fanohanana manokana i QMM sy MIARAKAP: fiofanana, fanoroana, fanaraha-maso akaiky, fanampiana ara-teknika, ary fanampiana ara-bola ho enti-manomboka. Nanamafy ny QMM fa ny LOMBAO dia fandaharanasa stratejika hanamafisana ny andraikiny amin’ny fanohanana ny fandraharahana sy ny famoronana asa, manampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana, ary fampihenana ny fiankinan-doha amin’ny asa fitrandrahana ataony
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT