Fanohanana ny fambolena

rambo sy ny asa tanana vita avy aminy


  • Zoma 15 Mey 2026

Hanao hetsika ny fikambanam-behivavy Matatagna

Akora fototra ilaina amin'ny rary ny Rambo ary manana ny lanjany eo amin'ny kolontsaina amin'ny fanatanterahana ny fomba amam-panao misy ao amin'ny faritra Fitovinany, hoy ny fanazavàn’ny fikambanam-behivavy Matatagna. Rehefa misy zavatra atao dia isan'ny ilaina amin'izany ny ambaladify, fanivanana kafe, ny tsihy izay vita amin'ny Rambo mampiavaka ny faritra, hoy izy ireo. Ho fanasongadina ny fambolena rambo, indrindra, ny haren-tsaina amin’ny alalan’ny rary vita avy amin’izany, izay fiveloman’ireo vehivavy any amin’iny faritra iny no nanorenana ny fikambanam-behivavy Matatagna Mitambatra. Tsy ho diso anjara amin’ny fisitrahana izany asa tanana izany ihany koa ny manerana ny nosy sy ny eto Antananarivo ao anatin’izao fetin’ny reny izao amin’ny alalan’ny hetsika na «opération» mitondra ny lohateny hoe Ambaladify, izay hetsika natao hanjifàna ireo asa tanana vita amin’ny rambo ireo. Izany ihany koa no natao dia mba ho fanohanana ireo tantsaha amin’izay fambolena rambo izay, izay ho atao ao amin’ny kaominin’Ambanivohitr’Antananabo, distrikan’i Vohipeno ny andiany faharoa. Afaka miantso ny laharan-tariby 0346750360 na 0347486785, izay rehetra liana amin’ity harem-pirenena malagasy iray ity no sady liana amin’ny kolontsaina raketin’izany ihany koa, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT