Fanohanana iraisam-pirenena

noho ny rivodoza


  • Alarobia 25 Febroary 2026

Manao ranolava ny fanampian’ireo Firenena Eoropeanina

Manamafy ny fanohanany an’i Madagasikara ireo firenena eoropeana taorian’ny antso nataon’ny manampahefana malagasy, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Refondation de la République, Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Mitohy ny fahatongavan’ireo fanampiana ara-pitaovana vonjy taitra ho fanohanana ny mponina traboina sy hanamafisana ny ezaka fanarenana. I Alemaina nandefa fitaovana ara-lojistika sy ara-pahasalamana, ahitana 1 280 tsihy fandriana, 1 000 sivana rano Katadyn, 500 tranolay fianakaviana avy amin’ny HCR ary 1 000 kitapo fandrahoan-tsakafo, izay natao hanatsarana ny fepetra fonenana vonjimaika sy hanomezana rano fisotro madio. Belzika kosa dia nifantoka tamin’ny fandriana sy ny fiarovana amin’ny hatsiaka, ka nandefa 2 175 bodofotsy, 1 950 fandriana tsihy ary 500 fandriana miforitra, hanamafisana ny fahafahan’ny foibe fandraisana vonjy taitra mandray olona maro. Frantsa dia nanampy tamin’ny fandefasana 1 000 bodofotsy fanampiny, 204 tranolay fianakaviana ary 250 000 takelaka fanadiovana rano, natao hisorohana ny loza ara-pahasalamana vokatry ny fisotroana rano tsy madio. Ny fandraisana ofisialy ireo entana dia natao teo anatrehan’ny Talen’ny Kabinetra sivily ao amin’ny Primatiora, ny Prefen’i Toamasina, ary ny tompon’andraikitra ao amin’ny foibe fandrindrana an’ny BNGRC. Hampiely avy hatrany any amin’ireo tokantrano marefo indrindra ny fanampiana. Ny an’ny Tandrefana izay, fa nisongadina ihany koa ny fanampiana sesilany avy amin’ny Rosianina satria ankoatra ilay angidimby raitra sy fiara matanjaka, dia mbola niampy izany fitaovana izany, niaraka tamin’ny fanampiana 60 taona nahitana vary, tsaramaso mena, menaka,… Ny irariana dia tena ho tsara tantana sy hipaka amin’ny vahoaka traboina sy hiteraka fiarenana sy fanorenana ara-toekarena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT