Tonga nitondra ny anjara birikiny
ho fanohanana ny namana mpanakanto Zoky Honorat ao amin' ny tarika Fou Hehy ny Belcom Production tarihin'i Bota na RACOM le Grand izay mpilalao sarimihetsika Malagasy . Ny tena namana dia tsy manary amin'ny fotoan-tsarotra rehetra ka izay no novoizina ho fampaherezana sy ho fanohanana ity namana mpanankato tsy salama iray ity. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia aretim-po miampy aretin'ny voa no.mahazo an' ny zokibe Honorat antony tsy maintsy handidiana azy. Manentana ny namana, indrindra fa ireo mpankafia sarimihetsika Malagasy i Bota noho izany mba hifanome tanana amin'ny fitsaboana an'i zokibe Honorat. Tsy latsa-danja amin'izany ny mivavaka ho azy mba ho hery lehibe hiatrehany ny aretina mahazo azy. Ny laharam-pinday 034 03 814 14 moa no hahafahan'ny rehetra mifandray sy manohana an'i Honorat.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.