Tompon’andraikitry ny fananan-tany tao Marovoay teo aloha 1, lefitry ny lehiben’ny faritra ao an-toerana 1 ary mpanofa ilay toerana 1 no indray nadoboka am-ponja vonjimaika taorian’ny fanapahan’ny tribonaly misahana ny ady
voalohany ao Mahajanga nandeha ny 24 septambra teo, hoy ny fampahafantarana nataon’ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly na Bianco ao an-toerana omaly. Taorian’ny fanadihadian’ity Bianco ao Mahajanga ity no nihavian’ny fanapahana, raha ny fampitam-baovao voaray. Resaka kolikoly amin’ny endriny maro mivantana sy an-kolaka ary fanaparam-pahefana moa no voalaza ho anton’ny fiapangana. Araka ny fanazavana dia nanda ny handoa ny hofan’ity toerana ity amin’ny tena tompon’ny tany ilay mpanofa no sady naneho dika mitovin’ny fifanarahana ara-barotra nifanaovany tamin’izay nolazaina fa tena mpandova ity toerana nampifanolana ity. Tsy nahitana taratasim-barotra ara-dalana kosa anefa teny amin’ity mpanofa ity ary ny fanadihadiana no nahitana fa nisy tsy mazava ireo dingana narahana ka antony nahatonga ny raharaha hiafara amin’izao fidobohana am-ponja izao, raha ny vaovao voaray hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.