Vaovao anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny fanodinkodinam-bola nitranga tao amin’ny Jirama Toamasina izay nahavoatonontonona banky iray ihany koa, araka ny tatitra savaranonando nataon’ny Minisitry ny angovo, Ramanantsoa Rodolphe.
Manodidina ny 400 tapitrisa Ariary eo izy io. Omaly alatsinainy no fantatra fa niditra an-tsehatra amin’ny fanadihadiana mikasika azy ity ny Bianco. Izany dia voafaritry ny andininy faha-175 vaovao ao anatin’ny didy famaizana Malagasy sy ny lalàna laharana 2004-030 ny 09 septambra 2004 mikasika ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Talohan’ny Bianco dia efa manao fanadihadiana mandritra ny folo andro, ary heverina fa ho tapitra amin’ity herinandro diavina ity ny mpanara-maso ny asam-panjakana (Inspectionr Générale de l’Etat) izay anatin’ny fanadihadiana ifotony momba ity fanodinkodinam-bola ity tanteraka amin’izao fotoana izao. Miandry ny tatitra an-tsoratra ataon’ireo mpanao fanadihadiana ireo ny fidiran’ny raharaha eny amin’ny Fitsarana, satria ny tatitra ataon’izy ireo no antontan-taratasy entin’ny mpitsara mpanao famotorana manao ny fanadihadiana savaranonando mikasika ity fanodinkodinam-bola tao amin’ny Jirama Toamasina ity aorian’ny fehinteny (réquisitoire) hataon’ny fampanoavana.
Mandra-piandry ny valin’ireo fanadihadiana rehetra ireo anefa, dia misy hatrany ny vaovao azo mikasika ity raharaha Jirama Toamasina ity. Araka ny vaovao nangonina sy nohamarinina dia nahatratra 193 ny antontan-taratasin’ny banky nahitana fahadisoana nandritra ny taona 2009 monja. Raha nisaina anefa ny andro niasan’ny banky nandritra ny taona 2009 lasa iny dia nahatratra 212 izany. Fantatra ihany koa fa raha ny taona 2008 dia nahatratra 66 ireo taratasin’ny banky diso sy feno hosoka tsikaritra teo anelanelan’ny volana mey nanombohan’ny fanisana ka hatramin’ny faran’ny taona 2008.
Raha ny fomba fangalarana kosa, dia resaka “versement» izay fanao indroa na intelo isan’andro no isehoany, ka ilay apetraka amin’ny “Compte de dépôts” amin’ny fikatonan’ny banky ka hahazoana ilay “Bordereau de dépôts” no tena fitrangan’ilay fanodinkodinam-bola. Ny famotorana hataon’ny fitsarana anefa no hahalalana ny marina manodidina azy ity. Mandra-piandry izany dia mbola tantara mitohy izy ity satria dia betsaka ny vaovao mifandringotra ao anatiny. Mandeha mantsy ny feo fa misy mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) misalovana ary miezaka miaro ireo namany mpiasa eo anivon’ny Jirama Toamasina voarohirohy amin’ity fanodinkodinam-bola ity, ary toa mitatra hatrany amin’ny fanozongozonana amin’ny toerany ny Tale jeneralin’ny Jirama amin’izao fotoana izao aza ny resaka ankehitriny, fa ny Minisitry ny angovo no toa miaro sy mbola mitazona azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.