Actualités

Fanodinana ronono ho fromazy Mamokatra 7.440.000 litatra ireo tohanan’ny CASEF


  • Zoma 17 Febroary 2023

Rojom-pihariana iray tohanan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE) amin’ny alalan’ny tetikasa CASEF ny ronono izay mampalaza ny faritra Vakinankaratra,

hoy ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana omaly. Orinasa madinika maro mpahazo tombontsoa no efa nisitraka ny tohana avy amin’ity minisitera ity tamin’ny alalan’ny tetikasa CASEF, hoy ny MINAE. Isan’izany ny orinasa fanodinana ronono ho lasa fromazy « Ny Antsika » ao Andranomanelatra izay niorina ny taona 2004. Nahazo tohana avy amin’ny tetikasa CASEF toy ny fitaovana fanangonana ronono, zerikanina, “pasteurisateur” na fanodinana ho mandry, kojakoja na “kits” maro fanaovana andrana ary fitaovana hitateran’ny tantsaha ronono. Nisitraka fiofanana momba ny fiompiana omby, fanatsarana ny vokatra fiompiana, fanatsarana ny nofon-tany ary famadihana ny tain’omby ho lasa entona fandrehitra na « biogaz » ihany koa ireo tantsaha miasa ao amin’ny orinasa. Tao ihany koa ny «étable de démonstration» na valan-tahaka izay nomena ireo tantsaha ahafahany mijery ny fomba fanatsarana ny vokatra ronono sy ny fahasalaman’ny biby izay mbola mitohy hatramin’izao miaraka amin’ny masomboly vilona JUNCAO. Efa mahatratra 37 isa izao ny omby ao amin’ny vala izay mampiasa olona miisa 16 isan’andro. Ankehitriny dia manodina ronono manodidina ny 2000 litatra isan’andro eo ho eo ny “fromagerie” na toeram-pamokarana fromazy « Ny Antsika » izay mampiasa olona 20 ary miara-miasa amin’ny tantsaha miisa 300. 7.440.000 litatra izao ny ronono vokarin’ireo orinasa mpamokatra ronono tohanan’ny tetikasa CASEF ao amin’ny faritra Vakinankaratra raha 4.560.000 litatra no tanjona napetraka, hoy hatrany ny fanazavana. Io fiompiana io no fidiram-bola ho anay ety ambanivohitra, hoy i Randriamanajanahary Claude Rolland, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny fanodinana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT