Tohin` ny raharaha fanodinana ny fanampiana avy amin`ny filohan`ny Repoblika teny amin`ny fokontany Ambohimanala Andoharanofotsy.
Miaramila iray mpiandry toby fametrahana ireo fanampianan` ny BNGRC tetsy Iavoloha no nidoboka am-ponja amin`ity raharaha ity. Izy io izay voalaza namoaka sy nivarotra an-tsokosoko ireo vary maherin` ny 2 t miampy ireo entana ilaina amin` ny andavanandro tamin`ilay ramatoa natratrarana izany tao amin` ny tokantranony. Ity farany no fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika. Ny takarivan` ny 27 aprily raha tsiahivina no nisy nampandre ny ben` ny tanàna sy depiote eo anivon` ny distrikan`Atsimondrano fa misy mividy ireo entana tokony ho zaraina amin` ny mponina. Izy ireo ihany koa no nanoro ny mpividy ihany koa. Marihana fa miisa 15 ireo olona voarohirohy tamin` ity raharaha ity saingy ilay miaramila no voatazona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.