Tsy zakan'ny vahoaka any amin'ny kominy ambanivolo ny fihetsika nataon'ireo mpitantana ny kominy. Araka ny loharanom-baovao azo antoka, resaka fanavahana omby very no antony. Omby (04) no very ary nanjavona rehefa tonga tao amin'ny komin’ambanivolon 'Ampasimena
Manoloana izany, nandray ny andraikiny heveriny fa hamaha ny olana ny tao amin'ny kominy iray ity. Nasaina nanavaka omby miisa-100 ary dia tanteraka soa amantsara. Nahagaga fa rehefa tao ireo omby ireo nifampizaran'ireto tomponandraikitry ny kominy. Sorena nanoloana izany ny fokonolona ary niray hina nitondra ny raharaha tany amin'ny manam-pahefana tany Fort dauphin. Nandray ny andraikiny avy hatrany ka nampiantso azy telo lahy.Taoriana ny fakana am-bavany, nampidirina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana. Etsy ankilan'izany naverina any amin'ny tompony ireo omby. Herinandro lasa no nisehoan'izany. Tao anatin'izany dia zary kamboty tsy misy mpiahy ny vahoakan'Ampasimena.Tsy mandeha amin'ny laoniny ny asa fampandrosoana. Mitaky sy mangataka ny hanendrena PDS toy ireo kominina hafa ny vahoaka mba hitohizan'ny asa.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.