Actualités

Fanodikodinam-bolan’ny ORTM Nohadihadiana koa ireo talen` ny TVM sy RNM teo aloha


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Raha notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora nanomboka ny zoma lasa teo ny tale jeneralin` ny ORTM teo aloha, Johary Ravoajanahary, noho ny fanodinkodinam-bola tao anatin’ireny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, izay anejehana azy,

 

 

 

dia fantatra ihany koa fa ao anatin` ny fanadihadiana ihany koa ireo talen` ny Televiziona Malagasy (TVM) sy ny Radio Madagasikara (RNM) noho ity raharaha ity ihany. Raha tsiahivina dia vola nanomanana sy nanamboarana ny « plateau » nandraisana ireo kandida filoham-pirenena, nifandahatra tamin’ny adihevitra nivantana tamin’ny haino amanjerim-panjakana nandritra ny fampielezan-kevitra io mahavoasaringotra an’i Johary Ravoajanahary io. Navoaka tamin’ny kitapom-bolan’ny ORTM, noho ny antony ara-potoana, ary narotsaky ny CENI nony taty aoriana. Nisy anefa fitsirihana nataon` ny minisiteran` ny serasera sy ny kolontsaina izay nanambara fa misy tsy mazava ny fitantanana ny ORTM ny taona 2017-2018. Andrasana moa izay ho tohin` ny raharaha.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT