Fankalazana ny fetim-pirenena

Tsy maintsy hasandratra ny Hiragasy, hoy ny Zazamanga


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Isan-taona, isaky ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona dia mikarakara

hetsika ara-kolontsaina ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga, hoy ny filohany, Sarobidy Rakotondravao. Amin’ity taona ity, hoy izy, dia hira gasy no karakaraina ary atao ao amin’ny kianjan’Ambato, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Handray anjara amin’izany i Rasoalalao Ankavia avy any Ampahimanga sy Ramilison Besigara avy any Fenoarivo. Isan’ny mivoy ny soatoavina malagasy moa ny fikambanana. Mpanao hira gasy goavana ary iraisampirenena no hifampitana amin’io. Isan’ny nisolontena ny firenena tany ivelany tany izany Ramilison Besigara izany. Toy izany koa i Rasoalalao Ankavia izay efa nitety izao tontolo izao. Tanjona ny hampahafantatra ny olona ny kolontsaina, indrindra, anatin’izao fetim-pirenena izao dia miezaka mampahafantatra sy mizara izany izahay. Tantsaha ny ankamaroan’ny mponina ato Ambato. Tena mankafy izany hira gasy izany ny aty. Mifono anatra, torohevitra, fivoizana firaisankina ny hira gasy. Fankalazana ny teny malagasy koa moa ny volana jona ankoatran’ny maha fetim-pirenena azy ka heverina fa mendrika ny hasandratra izany maha malagasy izany. Na vakoka iraisampirenena aza ny hira gasy dia tsikaritra fa ataontsika tsinontsinona. Lasa ny kolontsaina vahiny indray no manjaka. Iarahantsika mahita ireny fandihy mamoafady mampiseho ny tsy tokony haseho ireny. Izany rehetra izany no mahatonga anay manasongadina ny antsika mba hahafahan’ny tena malagasy mankafy ny azy satria na ny any ivelany aza mankafy, hoy hatrany ny Hasin’ny zazamanga. Ho tanterahana ny talata 25 jona 2024 ao amin’ny kianjan’ny kaominin’Ambato kosa ny hetsika, hoy ny fanampim-panazavana, ary tsy misy vidim-pidirana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT