Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.
Eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Analakely ihany koa no hanaovana ny matso lehibe, hanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy fa tsy hatao eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina toy ny teo aloha intsony, ity farany izay mbola eo an-dalam-pikarakarana ihany koa. Raha ny fanazavana nentin’ny Général de Division Jean Claude Rabenaivoarivelo,ny Chef de l’Etat-Major des Armées nandrita ny tafa ho an’ny mpanao gazety teny Andohalo dia ny polisy sy zandary ary miaramila miisa 2.720 no handray anjara amin’ilay matso izay hotanterahina. Nambarany ihany koa fa tsy hihoatra ny 80 olona ireo hasaina hanatrika izany. Mialohan’izany anefa dia hisy ny fanadiovana faobe hotanterahina manomboka ny 24 Jona ho avy izao eny amin’ny araben’ny fahaleovantena. Hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.