Fankalazàna ny fetim-pirenena kaomorianina

Nisaorana manokana ireo diaspora malagasy


  • Alakamisy 31 Jolay 2025

Nisy ny taratasy fisaorana natolotry ny fanjakàna kaomorianina ny firaisankinan’ireo malagasy

na diaspora malagasy monina ao Kaomoro noho ny fandraisana anjara mavitrika nasehon’ireo malagasy monina any an-toerana ho fanamarihana ny faha 50 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Kaomoro, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Tamin’ny alalan’ny komity mpanatanteraka ny hetsika moa no nandefasana izay taratasy izay. Mariky ny fahamafisan’ny firahalahiana eo amin’ny nosintsika izao, hoy ny voalaza, ka dia mamerina ny fankasitrahana ny fiombonan’ireo malagasy monina eto Kaomoro. Miisa 606 moa, raha ny fanamarihana voaray ireo malagasy anaty fikambanana fa eo amin’ny 12000 hatramin’ny 13000 eo kosa ny malagasy monina ao Kaomoro. Mivarotra, mampianatra, manao asa an-trano, saofera sy ny toy izany, amin’ny ankapobeny, no asan’ireo malagasy any ireo. Isan'ny nangatahan’ireto malagasy any an-toerana ireto tamin’ny fandalovan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Tokely Justin, tany an-toerana tamin’ny fankalazàna ny fetim-pirenena ny hametrahana ny «consulat général» na masoivoho malagasy any an-toerana fa sahirana be ny malagasy rehefa misy taratasy tokony hatao, hoy ny fampahatsiahivana. Isany ny resaka pasipaoro. Tsy afaka mamaha izay olana izay nefa ny diaspora fa hatreto raha misy malagasy manana olana toy ny amin’ny asa, ohatra, na tra-doza dia mandray andraikitra ny diaspora, raha ny fanazavàna voaray tany an-toerana omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT