Nisokatra tamim-pomba ôfisialy omaly zoma 06 jona ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona. Haharitra 20 andro izany ka fanentanana ny isan-tokantrano mba hanangana ny sainam-pirenena, arahin'ny fandravahana ny lalana sy ny biraom-panjakana rehetra no hisantarana izany ny 09 jona ho avy izao. Hitohy amin'ny «podium» lehibe izany manomboka ny 14 jona, izay hosantarina eny amin'ny kianja miaramila eny Betongolo ary hiitatra manerana ireo Boriborintany enina, mba ho fanomezana fahafaham-po ny besinimaro. Anisan'ny zava-dehibe indrindra ao anatin'izao fankalazana izao ny fitandroana ny fandriampahalemana. 10 andro mialohan'ny fety mantsy dia efa hohatevenina ny fitandroana ny fandriampahalemana ka anisan'ny goavana indrindra ny tsy fahazoana mivarotra tsipoapoaka sy ny fampiasana izany. Didim-panjakana efa nivoaka tamin'ny fiandohan'ny volana jona 2014 io ary manan-kery hatramin'ny faran'ny volana. Mikasika ny afomanga dia efa tonga izy io ka ho an'Antananarivo manokana dia haharitra 40 minitra izany raha 30 minitra kosa ny anjaran'ny isam-paritra. Tsara ny manamarika fa ahitana komity miisa 14 ao anatin'ity fikarakarana ny fetin'ny 26 jona ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.