Tapa-bolana eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika.
Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus anefa dia tsy ho toy ny mahazatra ny fankalazana amin’ity taona 2020 ity. Eny Analakely ohatra no hanatanterahana ny matso izay ezahina ho vitsy dia ho vitsy ireo mpandray anjara na eo anivon’ny tafika sy ny zandary ary ny polisy; raha araka ny tafa nataon’ny Etat major mixte opérationnelle nationale tamin’ny mpanao gazety omaly. Ezahina ho vitsy ihany koa ireo mpanotrona raha hasaina hanaraka izany mivantana amin’ny alalan’ny vata fahitalavitra kosa ny olom-pirenena rehetra hisorohana ny fivorivoriana. Ny 24 Jona araka izany dia efa hisy ny fikarakarana hatao eny Analakely ka ny 25 Jona manomboka amin’ny 01 ora maraina no hihidy tanteraka ny eny an-toerana ary hisy ny ampahan-dalana vitsivitsy ho tapaka ihany koa. Mbola nohamafisin’izy ireo moa fa tsy hisy ny afo manga amin’ity taona ity. Tsy hisy ihany koa ny fanaovana arendrina mitety tanana saingy afaka milalao izany ao an-tokontaniny ny ankizy madinika rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.