Actualités

Fankalazana ny fetim-pirenena 26 jiona Mbola vitsy ireo tokantrano managan-tsaina ao Ambositra


  • Talata 17 Jona 2014

Tsy ampy ve ny fanentanana ? Izany no fanontaniana mipetraka raha mahita ny fiomanan’ny Malagasy ao Ambositra hankalaza ny tsingerintaona faha-54 niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.

Tsikaritra ao Ambositra sy amin’ireo Kaominina vitsivitsy fa mbola malaina manangan-tsaina isam-baravarana ny mponina, misy Kaominina tsy ahitana sainam-pirenena mitsangana mihitsy toy ny ao Marosoa-Imady sy ireo Fokontany 15 ao aminy. Efa miparitaka ao Ambositra ireo mpivarotra sainam-pirenena saingy nilaza ny ankamaroan’izy ireo fa tsy mandeha ny tsena. Tsy ahitana ireo mpivarotra tsipoapoaka rahateo ao Ambositra amin’izao fotoana izao vokatr’ilay fandrarana amin’ny tsy tokony hampiasana azy ireny. Ho hita eo ihany ny fizotry ny fankalazana ny fetim-pirenena ao Amoron’i Mania amin’ny 26 jona izao izay hisian’ny filaharana sy matso ary afomanga toy ny isan-taona. Entanina isika hametraka ny sainam-pirenena fa andro lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy io vaninandro io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT