FANKALAZANA NY ANDRON'NY 08 MARTSA

Natomboka tamin'ny vavaka natao tetsy Mahamasina


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

Natomboka omaly Talata 04 Martsa

tamim-pomba ofisialy ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy ho antsika eto Madagasikara. Ny vehivavy vadin'ny hery fiarovana sy filaminana : Hery iray ho an'ny fanavaozana ny Firenena. Izany no teny filamatra nanokafana ny fankalazana. Fotoam-pivavahana sy hetsika samihafa tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina Mahamasina no nisantarana izany. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, niaraka tamin’ny vadin’ireo mpanolontsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary koa ireo vadin’ireo Minisitra misahana ny Hery Fiarovana sy Filaminana. Teo ihany ireo vehivavy manana andraikitra ambony, na olom-boafidy na olom-boatendry. Nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’ny lanonana ihany koa ireo Filoha sy mpikambana maro ao anatin'ny FIVAPOVA, FIVAMI, FIVAZA, FIVAPM ary ny Vehivavy ao amin’ny Vonjy voina sy ireo vehivavy manam-boninahitra isan-tsokajiny. Toraka izany koa ireo mpikambam-behivavy hafa izay nanotrona. Nandritra ny fotoana dia nitondra am-bavaka ny firenena, ny mba hisian'ny fandriampahalemana izy ireo. Nangata-pitahiana ho an'ny vadin'izy ireo ihany koa mba hahafahany manatanteraka ny adidiny amim-pahavononana sy fahombiazana, ho tombontsoan’ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy. Notohizana tamin'ny famelabelarana momba ny zon’ny vehivavy ny fotoana izay nofaranana tamin'ny hetsika fanatanjahan-tena niarahana.
Pati
Légende : Ny vadiin'ny Filohan'ny fanavaozana nitarika ny fotoana tetsy Mahamasina omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT