Actualités

Fankalazana ny 26 jona Nahazo fanasana omaly ary nanaiky i Marc Ravalomanana


  • Talata 24 Jona 2014

Mihazakazaka ny toe-draharaha. Inona no hitranga ato anatin’ny 48 ora higadonan’ny fetim-pirenena 26 jona ? Araka ny vaovao farany voaray mantsy dia fantatra fa nahazo fanasana hanatrika ny matso eny Mahamasina sy fiaraha-mikorana eny Iavoloha amin’ny 26 jona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tonga teny Faravohitra omaly alatsinainy 23 jona ny fanasana ho azy ary nanaiky tsy misy fandavana izany i Dada. Dia samy miandry ampahatoniana ny rehetra.

 Fa ankoatra izay dia heno teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly fa mitohy ny fivoriana atao eny Faravohitra ho fanakambanana ny TIM. Fivoriana tsy azo ialana io na tsy eo aza i Neny, hoy i Zafilahy Stanislas. Fantatra ihany koa, na dia tsy voateny mazava teny an-kianja aza, fa hatsangana ny Komity Nasionalin’ny Fanakambanana ny TIM. Olona 4 no indray hiandraikitra ny fandrindrana izany dia i Neny Lalao Ravalomanana, Rajemison Rakotomaharo Guy, Mamy Rakotoarivelo ary Botozaza Pierrot. Misy vaomiera 6 koa hisahana ny resaka politika, fitantanana, serasera, toekarena, lalàna ary vina. Hisy fifanarahana hosoniavin’ny rehetra rehefa tafaverina avy any Afrika Atsimo i Neny Lalao Ravalomanana hanomanana ny kongresin’ity antoko ity. Ireo lohandohan’ny mpisorona rehetra efa nanangana antoko ho azy samirery moa dia samy nifanaiky fa handrava izany avokoa toa an-dRajemison Rakotomaharo Guy, Razoarimihaja Solofonantenaina, Emile Ratefinanahary, Mahafaritsy Samuel …

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT