Fanjonoana « concombre de mer »

Mpanjono Malagasy 12 nosamborin’ny Seychellois


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Mpanjono Malagasy miisa 12 no ambaran’ny Fanjakana Seychellois fa tratra nanjono

antsokosoko dingadingana na « cocombre de mer » tany amin'ny fari-dranomasiny. Sambo MJ-F22.012 mitondra ny anarana "METRO DU NORD" no nisy nanofa tao Analalava ny 17 janoary, tsy natao hampiasaina amin'ny jono saingy tsy hita nanjavonana avy eo no voalaza fa nampiasain'izy ireo. Ny 30 Janoary 2025 no nampahafantatra ny manam-pahefana tao amin'ny Nosy Seychelles fa misy Sambo malagasy tratra nanjono Dingadingana tsy ara-dalana ao amin'ny Fari-dranomasiny. Mpanjono Malagasy miisa 12 avy ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Maromandia sy Ambolobozo, Distrikan'Analalava ireto tratra, raha ny fanamarihana. Misy ny fanadihadihana lalina izay atao ary manao ny fomba rehetra hampodiana ireo Malagasy eto Madagasikara ny Fitondram-panjakana sy ry zareo any Seychelles, raha ny tatitra. Henjana sy hentitra ny olona amin’ny fiarovany ny harena an-dranomasina any aminy fa mba tahaka izany ve ny fiarovana ny antsika sa ny hafa no manjakazaka aminy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT