Actualités

FANJIFAN’NY MALAGASY ATODY Tsy misy afa-tsy 20 isa isan’olona isan-taona


  • Talata 27 Mey 2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Ho an’ny atody manokana dia tsy misy afa-tsy 20 isa isan’olona isan-taona izany raha araka ny fanadihadiana natao nefa tokony hihinana atody iray isan’andro ny olona iray raha araka ny fenitra napetraky ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS. Mbola tsy mihinana afa-tsy akoho 2 kg isan’olona isan-taona ihany koa ny Malagasy raha efa mahatratra 40 Kg isan-taona isan’olona izany atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy. Anisan’ny antony nanetsika sy namporisika ny LFL Madagascar hamokatra sakafom-biby sy zanak’akoho vaovaobe izany izay antsoina hoe : Kombo. Hahazoana atody 150 ka 180 isa mantsy ny akoho vavy iray amin’izy io rehefa lehibe raha mahatratra 2,2 kg kosa ny akoholahy iray ao anatin’ny 10 herinandro. Ny mba hahafahana mampitombo ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy atody sy akoho no tanjona na dia sarotra aza ny fiainana. Natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra mantsy ny vidin’ny akoho raha araka ny fanazavan-dRandriatinarivo Mirindra, mpandrindra ny resaka ara-barotra eo anivon’ny LFL Madagascar. Ao anatin’ilay tsenabe Fivoarana andiany faharoa hatao eny Imerintsiatosika moa no ahitana io zanak’akoho vaovao antsoina hoe : Kombo io.
Pati
Legende : Mirindra Randriatinarivo, mpandrindra ny resaka ara-barotra eo anivon’ny Farmshop, LFL Madagascar !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

Hijery ny tohiny
FTT