Fanjavonana,

famosaviana, taolam-paty,…


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2026

Nidoboka ny lehiben’ny "Cisco Tana ville" sy olona 2 hafa,…

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny "Chef Cisco Tanà Ville" na ny lehiben'ny fiadidiam-pampianarana eto Antananarivo taorian'ny fisavana nataon'ny mpitandro filaminana sy ny fampanoavana notanterahina ny herinandro lasa teo teny Ivandry, hoy ny fampitam-baovao ofisialialin’ny fitsarana. Misy olona miisa 2 ihany koa nofonjaina. Voalaza fa ao anaty fikambanana miafina izy ireo. Rehefa natao ny fisavana tao amin'io antsoina hoe Loge Étoile Australe, izay toeram-pivoriana ivorian'ireny fikambanana miafina ireny, io dia nahitàna vatapaty misy taolam-paty, nahitàna sabatra sy vata-paty hafa maro sy taratasy isan-karazany. Isan'izany taratasy hita izany ny boky hoe «Rituel funèbre », manazava ny fombafomba ataon'izy ireo rehefa manao sorona. Misy efitra ihany koa hita tao, toy ireny latabatra fisoronana na «autel» any am-piangonana ireny. Eo amin'io no anaovana ilay sorona. Efa mandeha ny fanadihadiana amin'izao fotoana izao ary efa misy ireo voasambotra. Isan'izany ny "Chef Cisco Tanà Ville". Ao anatin'ny fanadihadiana no afahana miheritreritra fa misy sorona atao ao anatin'ireny fikambanana miafina ireny matoa misy an'io boky «Rituel funèbre» hita io manazava ny zavatra atao rehetra. Heverina izany fa mety misy ifandraisany amin'ireny halatr'olona ireny ny fivoriana ataon'ireny fikambanana miafina ireny fa mbola mitohy moa ny fanadihadiana. Ireo olona miisa 3 tratra ireo dia efa MD na voafonja vonjimaika daholo. Ny lehilahy any Tsiafahy. Ny vehivavy any Antanimora mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Ny fanadihadiana mbola mitohy. Ny vesatra hanenjehana azy ireo dia « acte de sorcellerie, profanation de sépulture, enlèvement, assassinat », izany hoe famosaviana sy ny manodidina azy, raha tsorina. Ny fanazavana nentin'ny Tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, lehiben'ny fampanoavana eo anivon'ny fitsaràna ambaratonga voalohany eto Antananarivo, ny sabotsy teo io, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT