Tsy voafehin’ny fanjakana ny vahoaka, tsy manaraka ny baikon’ny filoham-pirenena, goragora tanteraka toa manao izay saim-patany,…
Noraisina ny didim-panjakana maneho ny hamehana ara-pahasalamana ka nihatra ny fepetra tsy fahafahana mivorivory, mifamoivoy, tokony hielanelana 1 metatra hatrany,… Hentitra dia hentitra ny fanjakana amin’ny fibedesana sy fanasaziana olona mpivady miara-mitaingina moto satria olona iray ihany no tokony hitaingina an’izany. Jamba tanteraka kosa na tsy afa-manoatra eo anatrehan’ny filaharam-be sy fifanisihana eny amin’ny tsena mora, eny amin’ny fizarana fanampiana, ny eny amin’ny fokontany,…toy ny hita tetsy Ampefiloha Ambodirano omaly. Iray metatra no fepetra fa na 1 sentimetatra aza mety tsy voahaja. Tsy afa-manoatra ny polisy nandamina. Ny fanjakana no mandrindra sy mandamina an’ireny, saingy tena tsy voafehy na ny fitangoronana na ny disadisa. Saika ahitana olana avokoa ny fizarana, toy ny sakoroka tetsy Antohomadinika 3G Hangar, ny teny Anosibe,… satria misy ny kinamanamana ka betsaka ny tsy mahazo, hoy ny fitarainana samihafa. Tapitra ihany ny fe-potoana 15 andro, saingy tsy voafehin’ny fanjakana mihitsy izany. Ireo avy amin’ny sehatra ara-dalàna toy ny orinasa tsy miankina samihafa, dia maro no tsy afa-manoatra fa nanatsahatra ny asany, fa ny sehatra tsy ara-dalàna manao ny ataony ihany tsy misy mpijery sy mikitika. Zary miteraka fahasorenana ho an’ny mpanara-dalàna ny goragora, ary loza mitatao ho an’ny rehetra ny fitangoronana tsy voafehy fa tsy ho an’ireo manao izany ihany, saingy tsy voafehin’ny fanjakana. Sao tokony hanova paikady ny fanjakana? Andrasana moa izay ho fanapahan-kevitra lehibe anio 4 aprily.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.