Mandrahona mivantana na ankolaka ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina
eo anatrehan’ny mety ho fisiana fanembatsembanana ny Fihaonamben’ny SADC. Milaza fa atao ny fanehoan-kevitra taritina amin’ny resaka politika, fankahalana, zavatra tsy mitombina, ka nilaza fa mila atsahatra ny famoahana vaovao tsy marina. « Mila filaminana, mila fitoniana. Ny zavatra rehetra mitranga ankoatra ny zavatra misy dia iriana ny hikorontanan’ny Firenena, ka tsy handefitra mihitsy amin’ny mpanakarontana », hoy i Andry Rajoelina. Nolazainy ho tsy mandehandeha ho azy ireo zavatra nitranga tato ho ato dia ny firehetan’ny « transormateur » an’ny Jirama ny 13 jolay, nialohan’izay nisy grevy nezahana natao, grevin’ny Jirama. Rehefa nifampiresaka tamin’ny mpiasa hoe izao fa tsy marina izany, dia nipoaka indray ny « transformateur » tany Antsirabe, izay 10% ny herijika tokony hipoahany, nefa dia nirehitra, ary tao amin’ny toerana tsy nisy « caméra », hoy i Andry Rajoelina. Herinandro taty aoriana, nirehitra indray ny tsena iray manontolo, ka mampanontena hoe : izay no ao ambadika sy ny tanjona ao anatin’izany rehetra izany ? hoy hatrany ny Filoha ankehitriny. Nolazain’i Andry Rajoelina fa betsaka ny tsy manaiky ny voninahitra sy « leadership » apetraka eto Madagasikara amin’ny resaka diplaomasia hoe : handray firenena maro avy amin’ny SADC, Firenena 16,… Satria fantatray ny zavatra rehetra, ny taratasy alefa any amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena tsy hisian’ny Fivoriam-ben’ny SADC. Tsy ekena raha ny vahoaka no atao sorona na ny fananam-panjakana no potehina. Milaza handray andraikitra, fa tsy mila korontana sy savorovoro. Nanome baiko ny tompon’andraikitra. Tia mandrahona sy mampitandrina ny Fitondrana Rajoelina, kanefa tsy manao mangarahara, anjakan’ny fitantanana mampiahiahy, kolikoly avo lenta,… Tsy matoky tena sy toa mahana hatrany, ka tsy sasatry ny mandrahona sy mampitandrina.
TSY ATOKISANA...
Na io resaka fahafatesana olona maro be noho ny poizina ara-tsakafo aza betsaka ny mbola ahiahy, saingy ny Filoham-pirenena mihitsy no toa manao ny tondrozotra hitondrana ny raharaha sy milaza hoe : izao no marina ! Voahitsakitsaka ny fahaleovantenan'ny Fitsarana sy ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana hoy ny mpahay lalàna; fampandriana adrisa anay no ataon'ny Fanjakana hoy ireo namoy havana,... Tsy tena matoky ny olona, misy krizy ara-pitokisana. Hitrikitrihana ohatra fa « donuts » no nohanin’ireo olona, tsy andairan’ny botulisme ny pâtisserie, kanefa misy fianankaviana mamoaka fa tsy tia sy tsy mihinana zavatra mamy ny zanany, tao ny voalaza fa tsy nihinana an’io,… Ny tany Ikongo tsy nasiana resaka firy kanefa faty olona an-jatony. Ny loza ara-pahasalamana tsy tena nisy toromarika mazava niniana nasitrika eny fa na niaiky ihany aza fa nisy « Ny ara-pahasalamana izany, fa betsaka ireo aferam-pitantanana mampiahiahy saingy hodiana adala sy tsy hita intsony izay marina. Mby aiza ny tohin’ilay nilazan’i Andry Rajoelina ny 19 jona fa solika am-polony kamio ao amin’ny Jirama no manjavona ka tsy hamelany ? Mby aiza ny raharaha fanodinkodinana volabe tao amin’ny Antenimierandoholona ? Ahoana io raharaha goavana iraisam-pirenena maha voatonontonona an’i Madagasikara amin’ny famotsiana fiaramanidina voalaza fa nalefa antsokosoka any Iran ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.