Fanjairana ny fanamian’ny tafika Frantsay

Tsy marina ny fiampangana ny orinasa Paul Boyé eto


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Nitsidika ny Orinasa Paul Boyé tany Tanjombato ny Minisitra ny Indostria David Ralambofiringa sy ny Minisiry ny asa Hanitra RAZAKABOANA,

niaraka tamin’ny Vondron’ny Orinasa Afaka Haba sy Mpiara-miombon’antoka (GEFP). Io orinasa io izay anisan’ny manamboatra fanamiana ho an’ny miaramila, ho an’ny mpamono afo, ary ho an’ny fiarovana hafa, ka anisan’ny amboarin’izy ireo ny an’ny tafika Frantsay. Nivoitra, fa nihamafy hatrany ny fifaninanana eo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena amin’ny fanamboarana fanamiana miaramila frantsay. Nampahatsiahy ny Minisitra misahana ny Indostria fa ilaina hatrany ny fanajana ny kalitaon’ny vokatra. Ho setrin’izany dia nanamafy ny Tale Jeneralin’ny orinasa, Lahsen MOUZOUNI, fa miavaka amin’ny kalitao sy ny fanaterana ara-potoana ny vokatra vokarin’izy ireo mba hahazoan’ny mpanjifa tombontsoa feno. Nohamafisiny fa manaja tanteraka ny lalàna Malagasy ny orinasa, indrindra amin’ny lafiny sosialy. Nolaviny tanteraka ihany koa ny filazana fa mampiasa zaza tsy ampy taona ny orinasa, satria manodidina ny 21 ka hatramin’ny 40 taona ny salan-taonan’ny mpiasa ao aminy. Taorian’ny fitsidihana ireo sampan-draharaha ao amin’ny orinasa dia nankahery sy nanohana ny mpitantana ny minisitra, ka nanamafy izy ireo fa vonona hiady amin’ny fifaninanana ara-barotra iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fanamboarana fanamiana. Marihina fa 40% amin’ny latsakemboka ho an’ny CNaPS dia avy amin’ny orinasa misehatra amin’ny lamba. Manana mpiasa manodidina ny 2 400 ny Orinasa Paul Boyé eto Madagasikara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT