Tsy misy ny kisendrasendra matoa ireo
no tonga eo anivon’ny fitantanana ny firenena ankehitriny, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika sady tekinisianina, Fanja Raharimanana. Samy manana ny fahaiza-manaony ireo mandrafitra ny governemanta ireo, hoy izy, fa ho ahy manokana dia mahita aho hoe ny fifantohana amin’ny tekinisianina kokoa, izany hoe olona mpidina an-kianja, mahita ny zava-misy marina eny amin’ny manodidina sy ny fiarahamonina no zava-dehibe. Na be diplaoma aza ianao ka eo ambony latabatra fotsiny dia tsy hitondra na inona na inona. Raha tiantsika ny tena hanarina firenena dia olona tekinisianina, afaka manohana ny heviny hoe ity no olana, ity izany no vahaolana sahaza no ilaina. Matoa ireo mpanao politika toa an-dry Laza Razafiarison sy Patrick Raharimanana manome hevitra ao anatiny dia manome vahaolana mifandraika amin’izay izy. Iny moa izany no tsy nahatafiditra azy ireny tao anatin’ilay governemanta? Toy izany koa ry Tahina Razafinjoelina. Aza adino fa anatin’ny fanorenana isika! Raha hiditra amin’ny fanovàna isika dia maintsy manarina ny lavaka mangitsokitsoka nisy teo aloha. Misy dingana izany, hoy ny filoham-panjakàna. Omeo rano, zezika, masomboly ny mpamboly, raha hiresaka fambolena isika, ohatra! Tekinisianin’ny fambolena sy fiompiana ny tena no miteny. Tsy ahita izany ny olona tsy nidina kianja na hoe tsy nanao «terrain». Isan’ny tokony ho tafavoaka izao ny minisitry ny mponina sy ny fambolena. Toy izany koa ny minisitry ny angovo satria tena nanao «terrain». Isika no isan’ny firenena tena tokony ho afaka mitrandraka izany angovo avy amin’ny masoandro izany. Mbola manana ny tioka atimo, ny alizay sy ny tahaka izany isika ka ahoana koa no tsy ahafahantsika mitrandraka angovo avy amin’ny rivotra? Tsy ny manam-pahaizana akory no tsy misy eto Madagasikara. Be dia be ny malagasy mahay lasan’ny any ivelany fotsiny satria tsy haintsika ny manome lanja ny manam-pahaizantsika. Tia tena loatra isika. Ohatran’ny hoe izaho aloha no eto amin’ny seza dia aleo sakanana i Rabe sao hihoatra ahy. Mifampisintona midina isika fa tsy miakatra. Tsy mahay mifampisintona miakatra isika. Izaho izao na mahazo na tsy mahazo dia mandoa hetra satria aoka ho an’i Kaisara izay tokony ho an’i Kaisara. Ny olana eto nefa dia mahazo vahana be ny kolikoly. Io no isan’ny hanomezako sosokevitra ho an’ireo mpikirakira informatika hoe inona moa no tsy hanaovana «digitalisation» na fampiasàna tekinolojia ny tontolon’ny hetra? Tsy hisy mpanelanelana intsony amin’izay fotoana izay ny fandoavan-ketra. Tonga dia arotsaka any amin’ny banky izay tokony aloha. Isan’ny efa tsara izao ny fanaovana izany amin’ny tontolon’ny fitsaràna. Handoa hetran-tany ianao tonga dia miditra amin’ireny NIF Online ireny. Mety manara-maso sisa ny sampan-draharahan’ny fananan-tany fa rehefa tenenina ianao ity no tokony aloha dia tokony any amin’ny banky no andoavana azy. Mety mihitsy izao amiko ny hoe averina fidiana ny lehiben’ny fokontany. Ny mponina ao amin’ny fokontany no mahalala ny mendrika hitantana ny fokontaniny, hoy hatrany ity mpitarika politika sady tekinisianina ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.