Actualités

Fanitsakitsahana zo ara-tsendikaly ataon’ny MENSUPRES Ho taterin’ny SSM any amin’ny OIT sy BIT


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Efa ela ny namanay ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na SECES sy ny sendikan’ny mpiasan’ny

minisiteran’ny fampianarana ambony na SENDUPRES no nampahafantatra tamin’ny fampahalalam-baovao fa hanao grevy, hoy ny Valaben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy na SSM tetsy amin’ny biraony tetsy Ankadifotsy omaly, no nampahafantatra fa hanao grevy. Natao, hoy ny filohan’ny SSM, Herizo Andrianavalona, ny dingana ara-dalàna rehetra tahaka ny fangatahana 48 ora mialoha any amin’ny manampahefana isan-tsokajina. Voasoratra ao anatin’ny andininy faha 31, 32, 33 ao amin’ny lalampanorenana ny zon’ny mpiasa mikasika ny fahafahana manao grevy. Ao amin’ny andininy faha 11 amin’ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana koa izay fahafahana manao grevy izay. Akory ny hatairana nony tonga ny alatsinainy raha nigrevy am-pilaminana izany SENDIPERS izany. Rehefa tapitra izany ka hody dia nosamborin’ny EMMOREG ny mpitarika ary nisy fikasihan-tanana aza. Rehefa nampanantsoina ry zareo dia hoe nanao hetsika tsy ara-dalàna sy manohintohina ny filaminan’ny hafa. Hatramin’ny oviana no nisy grevy tsy anohintohina ny hafa? Nolazaina fa tsy ara-dalàna ilay grevy nefa tanaty toeram-piasan’ireo sendika ary araka ny efa voalaza teo hoe napetraka daholo ny dingana ara-dalàna rehetra. Miantso ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny lehiben’ny andrim-panjakana, ny filoham-pirenena koa satria izy no nametraka ny minisitry ny fampianarana ambony izay ahitanay fa misy fanaparam-pahefana. Miantso koa ny lehiben’ny zandarimaria, izay mitazona an-drizareo ao Fiadanana amin’izao ora sy fotoana izao. Ara-dalàna ny grevin’ireo. Matoa migrevy dia nitsahatra tamin’ny asa. Tsy nisy noterena. Rehefa nitory ny fanjakana dia ny DLC irery izay solontenan’ny primatiora irery ihany no afaka nitory. Tsy tokony ho azo noraisina izany ny fitorian’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. 10 volana no efa nifampiresahan-drizareo an’io. Ny septambra 2022 tany no efa nisy izay grevy izay raha tadidintsika. Isaorana ny depiote Raholdina nanao «intervention» na fanampiana tamin’ny fotoan’androny rehefa nahita fa tsy ara-drariny ary tsy ara-dalàna ny fitazomana ireo namanay ireo dia niravina ilay izy. Miverina indray izy izany izao satria nanaraka ny antanan-tohatra rehetra ireo namanay ireo nefa izao no anaovana azy. Ho alefanay any amin’ny rafitra iraisampirenena momba ny asa sy ny birao iraisampirenena dia ny OIT sy BIT izao tatitra izao fa manitsakitsaka ny zo ara-tsendikaly ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa na MENSUPRES, hoy hatrany ny SSM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT