Fanitsakitsahana tokantrano

Nigadra ilay lehilahy sy ny vadikeliny


  • Alarobia 19 Jona 2024

Mpivady ara-dalàna, ara-panjakana i J. (lehilahy) sy R. (vehivavy),

hoy ny fampitam-baovaon’ny CIRGN Antananarivo omaly. Niteraka 5 mianadahy izy ireo, hoy ny fanazavana. 5 taona lasa izay. Niala ny tokantranony i J. ary nanorina tokantrano vao tamin'ny vehivavy hafa. Niteraka 2 mianadahy. Tsy niraharaha ireo zanany 5 mihitsy i J. nandritr'izay nialany ny tokantranony izay. Zanany misoratra aminy izay mbola mianatra. Nitory teny amin'ny vadintany i R. ary ny vadintany no nandefa taratasy tamin'ny zandary PA Andranomanelatra mba hanampy azy arak'asa amin'ny fanaporofoana ny fijangajangana ataon'i J. Nidina teny amin'ny fonenany tao Androvakely/Antsirabe ny vadintany notronin'ny zandary roalahy. Tratra teo am-pisakafoanana atoandro i J. sy ny vadikeliny ary ireo zanany roa. Araka ny toromariky ny fitsarana, rehefa vita ny famotorana natao azy roa dia nalefa nody ilay renim-pianakaviana fa i J. kosa notanana tao amin'ny zandary. Natolotra ny fampanoavana ny 17 jona 2024 teo izy roa ka samy notanana am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT