Nidina ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alarobia 8 novambra i Vincent Devauchelle, tale jeneralin’ny Ravinala Airports sy i Thibaut Servant,
tale lefitry ny tetikasa CMBI nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato taorian’ny herinandro katroka nidinany teny an-toerana. Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa noho ny fisian’ireo olona marobe manana traikefa manatanteraka ny asa. Efa vita tanteraka ankehitriny ny famaritana ny fotodrafitrasa, fanamby napetraky ny Ravinala Airports. Efa milamindamina daholo ihany koa ny fametrahana ny vato fototry ny asa izay misy tongo-by miisa 83 manana halavana 20 m avy. Toraka izany koa ny fametrahana ny longrine misandrahaka amina velarana 17.500 m2 izay efa vita hatrany amin’ny 66 %. Hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny fanatanterahana ny asa. Orinasa Malagasy marobe no mahazo tombontsoa ao izay miara-miasa akaiky amin’ny Ravinala Aiports sy ny CMBI na ho an’ny seranam-piaramanidina Ivato na ny any Nosy-be. Mahatratra 300 ireo olona miasa manatontosa izany, indrindra fa amin’ny alina. Tsiahivina moa hovitaina amin’ny volana janoary taona 2018 ny dingana manaraka amin’ny asa fanamboarana ity seranam-piaramanidina eny Ivato ity, ary ny volana septambra taona 2018 kosa no hifarana amim-pomba ofisialy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.