Namoaka andiana mpianatra miisa 240 indray ny sekoly ambony UPRIM.
Teny amin’ny toeram-pilanonana Lion d’or eny Anosiavaratra no nanatanterahana ny lanonana ny sabotsy lasa teo. Diplaoma roa samy hafa no natolotra ireo mpianatra ireo dia ny “Master I” na ny bacc+4 sy ny “licence professionnelle”. Ny 140 isa amin’ireo no nahazo itsy diplaoma voalohany ary efa raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana avokoa ny ankamaroany. Nampiavaka ireto andiany Fanamby ireto, raha araka ny fanazavan-dRakotozafy Rémi Clet, tompon’andraikitry ny departemantan’ny fikarohana ao amin’ny sekoly ny fahaiza-manao ananan’ny mpianatra amin’ireo karazana lalam-piofanana rehetra misy ao amin’ny sekoly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.