Fanirisoa Ernaivo

«Mihazakazaka manao depiote daholo ny olona na dia…»


  • Zoma 15 Martsa 2024

Mihazakazaka manao depiote daholo ny olona na dia mbola

tsy voaravina ny hoe Rajoelina anie ka tsy malagasy akory nefa dia neken'ny fitsarana avo miaro azy ny filatsahan-kofidiany, hoy ny mpahailalàna, Fanirisoa Ernaivo! Dikan'izay dia ekentsika ho lasa «Jurisprudence» na tranga tsy voafaritry ny lalàna ve io tsy malagasy fa afaka milatsaka, hoy izy? Faharoa, ny depiote dia tsy manao lalana fa manao lalàna ary lalàna manatsara ny fiainan'ny malagasy rehetra fa tsy hoe ny toerana nihaviany ihany. Depioten’i Madagasikara fa tsy depioten’ny boriboritany faha 5. Ny lalàna no dinihina ary apetraka sy hajaina ary mila mahay mamakafaka hoe inona no tanjona sy vokatra azo amin'ilay lalana? Ny lalàna anisany tena hiasan'ny depiote dia ny LFI na lalàna mifehy ny teti-bola fa mba hain'ireto depiote ve ny mamaky azy? Marihina fa misy pejy aman’arivony ary mila jerena sy mila hay hoe inona no dikany? Mba atsangano ny tanan'ireo depiote efa namaky LFI/LFR hatramin’ny voalohany ka hatramin farany na nandinika an’io? Mihinana am-bolony sy mananga-tanana araka ny «consignes de vote» na baiko azo hofidiana fotsiny, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT