Fanirisoa Ernaivo

« Manan-kery 10 taona ny fitoriako ny HCC »


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Nitory ny Mpikamban’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice)

Rtoa Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha, mpitarika ny RMDM France ankehitriny. Ny fandikan-dalàna tamin’ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa no antony, hoy io mpitsara teo aloha io. Tokony ho eny amin'ny PAC (Pole Anti-corruption) no apetraka ny fitoriana saingy tsy manana fahefana hitsara ny filohan'ny HCC izay filohana andrim-panjakana ny PAC ka izay no antony nametrahanay ny fitoriana eny amin'ny HCJ raha ny fanazavany. Nolavin’ny PAC rahateo ny fitoriana. « Ny didy avoakanareo tsy manara-dalàna ka izay dia antsoina hoe : « abus de fonction », ka izay dia ao anatin’ny « infraction de corruption » ka tsy misy lalàna milaza fa tsy azo toriana izy rehefa manapatra fahefana, tokony hitandro ny lalàmpanorenana kanefa manitsakitsaka tanteraka izany », hoy i Fanirisoa Ernaivo. Notsikafoniny hatrany amin’ny fanekena ny antontan-taratasin’ Andry Rajoelina, mitohy amin’io fanalana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, izay nambarany fa tsy manaraka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny Antenimierampirenena. Tsy hoe : fitsarana farantampony ka azo esorina izay esorina, ary azo apetraka izay tiana hapetraka na tsy Malagasy aza, hoy hatrany ity mpitsara teo aloha ity. Nambarany fa HCC dia nandrahona mafy fa tsy azo kianina sy tsikeraina ny didy avoakany, fa didy tsy azo ivalozana, ka tsy izy resahana no tsy itiavan’ny olona azy fa ny didy avoakany tsy manaraka ny lalàna. Tsy noraisin’ny PAC ny fitoriana ireo mpikambana tsotra ao anatin’ny HCC satria azo toriana any, ary any amin’ny HCJ kosa ny Filohan’ny HCC kanefa na kely aza ny fanantenana amin’ny handraisana ny fitoriana, dia nilaza io Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha ity fa 10 taona nanomboka tamin’ny fametrahana azy dia manan-kery ny fitoriana, ka mbola azo tohizana rehefa miova ny fitondrana. Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny HCC !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT