Fanintsiana ny vidin’ny herinaratra

Ahiana hidangana hatrany kanefa ny tolotra tsizarizary


  • Zoma 30 Mey 2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

izay lasa mipetraka ho sakana ara-toekarena goavana sy miteraka fihemorana aza. Andaniny, nanao atrikasa mikasika ny firosoana amin'ny fanitsiana ny vidin'ny herinaratra eto Madagasikara ny Jirama sy ny mpiara-miombon’antoka aminy ny 26-27 mey teo. Navoitra fa nitondra ireo traikefany sy nizara izany tamin'ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny herinaratra nandritra izany ny « Cabinet MacroConsulting » sy ny « Cabinet GIDE Loyrette Nouell ». Miantefa amin'ny herinaratra izay vokarin'ny orinasa Jirama sy ny herinaratra ho an'ny tontolo ambanivohitra izay sahanin'ny ADER (Agence de déVeloppement de l’électrification rurale) ny fanitsiana, araka ny fanamarihan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Mifanaraka amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara na « Code de l’électricité » ny fanitsiana atao, raha ny fanazavana hatrany. Fanintsiana mamono sa mamelona ? Fampiakarana sa fampidinana ny sarany izay toa tsy dia mampino ity faharoa ? Ny Jirama izay lazaina foana fa mividy lafo ary mivarotra fatiantoka. Manampy trotraka ny tsindrin’ny mpamatsy vola hampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix » sy fanerena hiala ao anatin’ny rafitra fanohanana ara-bola na « subvention » ho an’ny orinasam-panjakana,… Mbola resaka hafa ny mikasika ireo trosa misavovon’ny Jirama, ka nanomboka niposaka ny kajikajy amin’ny mety hampidirana ho tompona petra-bola na « actionnaires » an’ireo tompon-trosa mba hialan’ny Fanjakana amin’ny fanohanana ara-bola isan-taona ity orinasa ity. Mahatratra 700-1000 miliara Ar isan-taona io tohana ara-bola io, kanefa tsy mety tafarina sy vao mainka miha milentika sy bokan-trosa aza ny Jirama. Raha nanaovana tetikasa fampisitrahana angovo amin’ny herin’ny masoandro mahaleotena isan-tokantrano mety efa tena nahavitana betsaka, saingy betsaka ny endrika bizina avo lenta, fangejana, fiarovana tombotsoan’olom-bitsy,… Ny Jirama miha milentika fa ny seha-pihariana maro miankina amin’ny herinaratra ihany koa maty sy mandohalika !
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT