Actualités

Fanindronana mpianatra teny Avaradrano Tsaho niniana naely


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Mbola nitohy hatramin’ny omaly ihany ilay tsaho niely momba ny fisian’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana mitety sekoly mandeha manindrona mpianatra iadiana amin’ny aretina pesta tany amin’iny distrikan’Avaradrano iny.

Raha  tsiahivina, nikorontana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tao Ambohimangakely afak’omaly folakandro noho ny fiparitahan’io tsaho io ka nisy mihitsy ireo nandeha naka ny zanany  tany am-pianarana. Toraka izany koa ny tany amin’iny kaominina Ambohimalaza. Tsy nijanona teo ny tsaho fa niparitaka hatrany amin’ny kaominina Anjeva omaly. Fiara 4x4 iray indray no nanaitra mafy ireo  ray aman-drenin’ny mpianatra ka voatery nidina nitety sekoly mihitsy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Avaradrano mba hampitoniana azy ireo. Nisy ny fanazavana tsotsotra nentina tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Ankoatra izay, nitondra fanazavana koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa tokony hilamina tsara ny sain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra satria vaovao tsy marina io niniana naely io mba hanakorontanana ny tsirairay.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

Hijery ny tohiny
FTT