Miasa mafy ny ekipa fitaleam-paritra sy ny Talem-paritra maro eo anivon` ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) amin` izao fahamehana ara-pahasalamana izao.
Tao anatin' ny iray volana dia maherin' ny 180 ny fandikàna lalàna voarain` ny MED ary misy amin` izany fandikàna lalàna goavana. Tafiditra amin` izany ireo olona manao saribao antsokosoko anaty ala arovana, ireo mpanao trafika andramena kalaza tratra, famonoana afo ataon'ireo mpanao Doro tanety, sns… Ohatra tany amin`ny faritra andrefana sy avaratra andrefana dia ala honko no navadika ho kitay ka saribao miisa 425 no tratra anaty ala arovana tao Vohibola. Hazo sarobidy maro ihany koa no tratra tamin' ny Faritra Atsimo Andrefana sy Atsinanana ary Boeny sy Betsiboka. Mangataka hatrany ny fampiharana ny lalàna eo anivon'ny Fitsarana mba tsy ho herim-po very maina ny asanay, hoy ny teo anivon` ny MEDD. Izany mantsy no hany antoka fa tsy mamerina intsony ireny olona ireny àry hampihena ny fahapotehana ara-tontolo iainana sy ara-toekarena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.