Actualités

Fanimbana fananam-bahoaka Roalahy nosamborina, fiara iray nogiazana


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Lehilahy miisa roa nitondra fiara marika Sprinter no fantatra fa nanimba fananam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fiara nentiny ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny lalana avy eo Tsarasaotra niazo an’Antsofinondry.

Olon-tsotra no nahita ilay tranga ka naka sary ny zava-nisy ary nampita izany tamin’ny mpitandro ny filaminana.Nosamborin'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Sabotsy Namehana noho izany izy ireo omaly alahady 21 may atoandro ka mbola tratra niaraka ilay ny mpamily sy ny mpanampy azy. Nampahafantarina azy ireo nandritra izany ny fandikan-dalàna nataony toy ny fitondringasa ireo karazana takela-by amin’ny sisin-dalana… Nogiazana ihany koa ny fiara nentin’izy ary ka nampahafantarina ny tompon'ny fiara ny zava-nisy. Ankoatra ireo tsy mahalala moa dia mbola marobe ireo minia manimba fananam-bahoaka eto amintsika. Tokony hotohizana hatrany araka izany ny fanentanana sy fampahafantarana ny mpiara-belona mikasika ny fiarovana ireny fananam-bahoaka ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpanimba fananam-bahoaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT