Fangatahana tanim-panjakana tao alohan’ny 2011

Hofoanan’ny Fanjakana ny any Alaotra, mila havaozina


  • Alarobia 19 Jona 2024

Nofoanan’ny Fiadidiam-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ary ny

fananan-tany Alaotra Mangoro rafitra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tamin’ny alalan’ny naoty ny fangatahana tanim-panjakana talohan’ny 31 desambra 2010. Notsiahivina ny tamin’ny alalan’ny teny midina laharana 014/MDAT/SG/DR DATSF/ALMAN ny 14 jona teo ny fampiharana ny naoty laharana 232-MADT/Mi.24 tamin’ny 03 jona 2024 lasa teo. Hiroso amin’ny fanafoanana ireo fangatahana talohan’ny daty voalaza etsy ambony ny Fanjakana, raha toa ka tsy misy fanavaozana mialohan’ny 08 jolay 2024. Nisy noho izany ny antso ho an’ireo rehetra manana fangatahana tanim-panjakana mba hanatona ny sampan-draharahan’ny fananan-tany na ny « Domaine » mialohan’ny 8 jolay 2024 mba tsy ho isan’ireo hofoanana ny fangatahana. Isan’ny sehatra tena mampijaly ny Malagasy ny fananan-tany, manahirana ara-taratasy, hanjakan’ny kolikoly, anisan’ireo raharaha betsaka indrindra eny amin’ny fitsarana,... Tena mila fijerena manokana amin’ny lafiny maro : fanamorana ny fikarakarana ny taratasy, tan-tsoroka hahalalan’ny rehetra ny lalàna na fanavaozana ihany koa ny lalàna,… Ekena fa misy ireo fandaharan’asa na programam-panjakana momba ny fizarana kara-tany faobe, saingy tena mbola tsy ampy. Ho tonga amin’izao ve ny tantara raha tsy nitohy ny fandaharan’asa momba ny fananan-tany notohanan’ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny MCA (Millenium Challenge Account) raha tsy nisy ny krizy politika tamin’ny 2009 ? Izao isika vao mody mikofokofo manentsina fahatarana 15 taona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT