Actualités

Fangaraharana ara-bola Maodely ny Faritra Atsinanana


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Notontosaina tao Toamasina ny faha-23, 24 ary mifarana anio 25 may ny fifampizarana traikefa teo amin’ny samy governora.

Tanjona ny hisian’ny fifampizarana fahaiza-manao momba ny fangaraharana ara-bola sy ny fampandraisan’anjara ny olompirenena amin’ny alalan’ny tetikasam-pampandrosoana ho fitsinjovana ny mpiara-belona. Ankoatra ireo governora izay ny an’ny Faritra Sofia sy Vakinankaratra ihany no tsy tonga fa nandefa solontena, dia nandray anjara feno ihany koa ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana ankoatra ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nandritra izany, voasokajy ho fitaratra amin’ny fitantanana ara-bola ny Faritra Atsinanana tao anatin’ny 3 taona nitantanan’ny Governora Aroa Rafidison Théodore Richard nanomboka ny 2020. Nampilendalenda ny mpandray anjara mantsy ny fahafantarana fa manana ambim-bava maherin’ny iray lavitrisa ariary isan-taona ny Faritra Atsinanana, izay midika ho fahombiazan’ny fitantanam-bola madio. Andaniny anefa, mitaraina ny Faritra samihafa noho ny tsy fahampian’ny vola kirakiraina vokatry ny tsy fitovian’ny loharanom-bola sy ny fomba fiasan’ny ao ambony amin’ny fitondram-panjakana. Antoka lehibe ho an’ny fahombiazana ny fangaraharana satria voalaza fa mahafantatra ny antsipirian’ny tetibolam-paritra isan-taona sy ny ampiasana azy ny mpiasa rehetra ary ireo mpiray ombon’antoka, raha ny fanazavana. Mandray anjara amin’ny famolavolana ny tetibola sy ny fampiasana azy ihany koa ny hery velona manontolo tsy anavahana. Atao ny tatitra mazava isan-taona mba ho fanta-bahoaka ny asa vita sy ny tsy vita, tsy misy ny ankinafinafina,... Tsy maintsy misy anefa ny fifandaminana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana manoloana ny fahabetsahan’ny raharaha miandry. Notsindrian’io governora io, fa toetsaina no miantoka ny fangaraharana ara-bola. “Tsy zava-baovao tsy akory izy io. Ny lalana velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana mihitsy no mitaky azy”, hoy Atoa Rafidison Théodore Richard. Nanaitra ireo tomponandraikitra eny anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola moa ny fomba fiasa. Efa tamin’ny martsa 2022 no voalaza fa nitsiry ny hevitra mikasika ny fampivondronana sy tan-tsoroka ho an’ireo governoram-paritra 23 mianadahy. Ifantohan’ny saina manokana ny hoavin’ny ankizy izay mandrafitra ny antsasa-manilan’ny mponina eto amin’ny Nosy, ka ny Sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy eto Madagasikara (UNICEF) no vonona tamin’ny tan-tsoroka, ary izao tanteraka izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT