Tranga hafa mihitsy ity niseho tao Toamasina ny zoma hariva ity, satria mpivady samy mpiasan’ny jirama ao Toamasina no tratran’ny orinasa Jirama mangalatra herinaratra, ka mamarotra amin’ireo fianakaviana maromaro manodidina azy ireo tao Ambalamanasy “Carreau II”.
“Efa maro ny fitarainana voaraiko mikasika ny mpiasan’ny jirama mangalatra sy mivarotra herinaratra amin’ireo vahoaka manodidina azy. Efa nananatra hatrany aho tao anatin’izay 3 taona naha tale ahy teto Toamasina izay, saingy tsy nisy nihaino sy tsy nisy nanaraka noho ny fahazarana ny lalan-dririnina”, hoy Atoa Veloson Leonard talen’ny jirama Toamasina. Nandritra ny fidinany nijery ny zava-nisy, izay niaraka tamin’ny lehiben’ny servisin’ny fitsinjarana herinaratra ao Toamasina, ary vadintany nanamarina ny zava-nisy tao Ambalamanasy ny zoma hariva io, dia taribina herinaratra an’arivony metatra no nivoaka avy ao amin’ireto mpivady mpiasan’ny jirama nangalatra sy namarotra an-tsokosoko ny herinaratra ireto. Notapahana avy hatrany ny herinaratra miditra tao amin’ity mpiasan’ny jirama ity, nongotana ireo tariby nitarihana ny jiro. Vokany, fianakaviana tsy latsaky ny 60 no tapaka herinaratra nanomboka ny zoma teo, tafiditra amin’izao halatra herinaratra izao.
50 000 Ariary
Raha ny fanazavana dia manodidina ny 30.000 hatramin’ny 50.000 ariary isam-bolana no hamarotan’izy mivady ny herinaratra amin’ireo fianakaviana namarotan’izy ireo izany, izay efa an-taonany maro satria efa voarakotra fakan-kazo mihitsy ny tariby nitarihana izany ho an’ny fianakaviana sasany. “Tsy mananjo hanasazy na handroaka mpiasan’ny jirama manao fahadisoana goavana toy izao ny tenako. Manao tatitra amin’ny tale jeneralinay sy ny talen’ny fitantanana ny mpiasanay no anjarako, ka anjaran’izy ireo no mandray ny fepetra mifanaraka amin’ny heloka vitan’ireto mpiasanay ireto”, hoy hatrany Atoa Veloson Leonard.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.