FANGALARAM-BOLA TAMIN'NY PUCE VERY

Lehilahy iray no nalefa eny Antanimora omaly


  • Talata 29 Oktobra 2024

Lehilahy iray 38 taona no voasambotry ny Polisin'ny Cybercriminalité ny 25 oktobra lasa teo rehefa nangalatra vola

tao amin'ny kaonty Mvola an’olona tamin’ny alalan’ny "puce" very. Ny 26 septambra lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana ny Polisy teo anivon'ny Cybercriminalité mikasika ny fahaverezana vola tao anaty puce iray misy Mvola. Araka ny voalazan'io mpitory io dia very tamin'ny 25 septambra ny puce telma-ny izay mbola nisy Mvola mitentina 9.000.000 Ar. Rehefa nanao ny famerenana ilay puce teny amin'ny Telma anefa ity farany dia nahatsikaritra fa tsy tao intsony io vola io. Nanokatra fanadiadiana avy hatrany ny Polisy noho izany. Taorian'ny fanangonana ireo porofo dia hita ny toerana nisy ilay lehilahy mpangalatra. Ny Zoma 25 oktobra teo, teo akaikin'ny Magro Behoririka izy no tra-tehaka. Niaiky izy fa naka ilay vola 9.000.000 Ar tao anatin'ilay puce. Nilaza ny tenany fa misy olona miara-miasa aminy mpivarotra "puce"izay misoratra amin'ny anaran'olona hafa ka ahafahan'izy ireo mamindra ireo vola izay hangalarin'izy ireo. Niakatra fitsarana omaly ilay ranamana ity ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT