Tsy dia ny mpivarotra amoron-dalana loatra no tena mibahana toerana ka mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana etsy amin’ny lalam-be etsy Ambodivona fiantsonanan’ny zotram-pitaterana nasiônaly mankany Avaratra sy Atsinanana, hoy ireo olon-tsotra nanontanian’ny mpanao gazety nivantana teny an-toerana omaly, fa ireo zotra-pitaterana manala sy mampidina entana no midina eny antsisin’ny arabe ka tena mibahana aok’izany noho ny toerana akaikin’ny biraony tsy homby azy ireo
Tsy maintsy nakisaka noho izany ireo mpivarobarotra kely nanangana trano hazo kely na namelatra latabatra sy labasy kely samihafa ary dia nampiarahana an’izany koa ny fanemorana ny tranon’ireo mpivarotra lehibebe toy ny hotely sy ireo mpivaron-kazo sns… Hitsofoan’ireo fiara eo amin’ny “trottoir” no tena antony izany. Tsy dia misy maharatsy azy loatra, hoy ireto olon-tsotra mpivezivezy eny amin’ity toerana ity, ny amin’ny tetika fa ny vokany kosa dia very asa ireo mpikarama mandinika tsy mampiasa afa-tsy 10.000 ar na 20.000 ar fara-fahabetsany amin’ny fivarotana voankazo kely, enta-madinika kely, ranom-boankazo kely ary fivarotana “silent bloc” vita gasy. Atahorana hirona amin’ny asa ratsy indray izy ireo ao anatin’izany. Raha ny marina, hoy ny fanamarihana azo teny Ambodivona omaly, dia ity fiantsoanana zotram-pitaterana nasiônaly iray ity mihitsy no tokony hitadiavana toeran-kafa malalaka. Nahoana moa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no sahy nanao “requisition” ny toby fiantsonana fiara teny Ampasampito tamin’ny fotoanandro noho ny tombontsoam-bahoaka na dia an’ny mpandraharaha Malagasy aza ny toerana teny no maninona no tsy afaka manao izany “requisition” izany ny fitondrana ankehitriny amin’ny tany eny ampitan’ny Jovenna etsy Androndrakely Saropody izay fantatra fa lasan’ny karana ohatra ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.