Fanerena mpivavaka hiray ara-nofo

Mpitarika toeram-pivavahana iray ifampitadiavana


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Mpitarika toeram-pivavahana iray tao Manerinerina, Faritra Boeny no fantatra

fa karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Noho io lehilahy io voalaza ho manery ireo ankizivavy mpivavaka ao aminy hiray ara-nofo aminy no anton’izany. Toraka izany koa ireo vehivavy mpivavaka efa manam-bady ao aminy. Hambakainy ary reseny lahatra ireo vehivavy mpivavaka ao aminy hoy ny loharanom-baovao azo fa lasa manan-karena sy mahazo fitahiana, hono, rehefa miray aminy. Nisy tamin’ireto farany anefa no nandeha nitaraina tany amin’ny mpitandro ny filaminana ka efa ravan’ireto farany ny teti-dratsin’ity mpitondra fivavahana iray ity ka efa tafatsoaka ilay mpitarika. Mbola mitohy ny fikarohana azy amin’izao fotoana izao. Fantatra moa fa izany Jiosy Gasy izany no anaran’ny fiangonana nentin’ity lehilahy manery ara-nofo ny mpivavaka vehivavy ao aminy hiray aminy ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa naseho ho fanta-bahoaka ny sarin’izy ireo ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT