Fanerena hampidinana indray ny saran’ny internet

Hamaky ady amin’ny « opérateurs » ny Fanjakana…


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Nofoanana ny fameram-bidy na "prix plancher" nataon'ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra

ary ny haitao ara-kajy mirindra na MNDPT izay nametra ho 0,95 USD ny 1 Gigaoctet amin'ny internet, nofaritana tao anatin’ny didim-panjakana 2023-397 tamin’ny 12 aprily 2023. Nihatra nanomboka ny 01 aprily ny fiakarana, saingy nihatra nanomboka ny 28 martsa raha tsiahivina no niova ny sarany sy ny tolotra nataon'ireo "opérateurs téléphoniques", ka nanafoana ny tolotra ho an'ny tambajotra sosialy navadika ho internet feno. Nidangana be io raha ny fimenomenon'ny mpanjifa ka fanontaniana mipetraka ny hoe : hanao tsindry hamerenana an’io amin’ny teo aloha ary ve ny Fanjakana ? Niteraka fimenomenonan’ny mpanjifa ny fidangam-bidy. Nisy fifampiraharahana ny aprily 2023 ho famerana amin’ny antoniny ny vidiny tahaka ny hita any amin’ny firenena Afrikanina, ao anatin’ny fitsinjovana mpanjifa, hampiroboroboana ny toekarena nomerika, fivelarana amin’ny internet fa tsy mijanona amin’ny tambajotra sosialy ihany, fanafainganana ny fampiasana tolotra ara-bola, tolotra nomerika amin’ny raharaham-panjakana,…, raha ny fanazavan’ny MNMDPT. Tsy nifanaraka tamin’ny votoatin’ny fifanarahana natao ny vidiny nataon’ireo orinasa, fa nidangana. Saran’ny internet zakan’ny vahoaka ihany no atao raha ny nambaran’ny Minisitra Tahina Razafindramalo nampitaina tamin’ny haino aman-jerim-panjakana omaly 05 mey 2024. « Tokony hanaraka izany ny tolotra izany hoe rehefa nofoanana ny « prix plancher » dia miverina amin’ilay sarany taloha zakan’ny vahoaka. Mitaky fameranana amin’ny laoniny ny tolotra sy vidin’ny internet eto Madagasikara araka ny tokony ho izy. Tsy tokony hiharan’ny vidin’ny internet mihoatra ny fahefa-mividiny ny mpanjifa, ary tsy maintsy mandray andraikitra mifanaraka amin’izany ny governemanta », hoy ny fampitam-baovao omaly, izay nanamafy fa tsy maintsy tsinjovina hifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa, antony nanafoanana ny « prix plancher ». Rehefa zohiana dia fanapahan-kevitra nivoaka niditra izay nisy fiantraikany goavana tamin’ny mpanjifa. Tsy voalanjalanja sy tsy voadinika tsara ary tsy vita fifanarahana mazava hatrany am-boalohany ve ? Raha zohiana amin’io dia hiditra amin’ny tsindry hampidinana indray ny saran’ny internet ny Fanjakana ka hanao ahoana ny ho setriny avy amin’ireo « opérateurs » ? Hanaiky mora ireo sa hanao izay danin’ny kibony ? Hiverina hitovy tanteraka amin’ny teo aloha tokoa ve ? Hahomby sa ho rava maina tahaka ny fanadihadiana parlemantera ? Miandry vokatra ny mpanjifa internet sy ny mpisehatra amin’ny ekonomia nomerika ! Betsaka ihany koa anefa ny zavatra mila arindra sy fehezina mba tsy haha gaboraraka ity sehatra ity !
Toky R
Sary fanehoana : Andrasan’ny mpanjifa ny vokatra hoentin’ny Minisitry ny paositra sy ny departemantany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT