Fanenjehana noho ny heloka an’habaka

Mijanona ho lalàna ho an’ny mpanohitra hatreto ?


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Nampanantena ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa handray fepetra

amin’izay manoloana ny fandikan-dalàna sy heloka amin’ny tambajotran-tserasera, fa tapitra izay ny fanentanana. Zava-dehibe izany ary andrasana satria betsaka ny sary toa lasa maneho na mitarika ny olom-pirenena hieritreritra fa toa natao ho an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny Fanjakana ny lalàna hatreto. Sanatria toa ireo manohintohina ny fitondrana ihany no hitan’ny mason’ny haraton’ny mpitondra amin’ny resaka fandikan-dalàna, fa ny ankoatra izay tratry ny baolina ankamely, malalaka ny fanalam-baraka sy fanosoram-potaka,... Tany amin’ny fiandohan’izao fitondrana izao, nihazakazahana ny nisambotra sy nanagadra an-dry Be-Rija Ravelomanantsoa rehefa naneho hevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera tany amin’ny fiandohan’ny valanaretina coronavirus. Nihazakazaka ny fisamborana sy fanagadrana an’i Stan’ley Ramarivelo tany amin’ny oktobra 2022 rehefa notondroina ho ao ambadiky ny kaonty nolazaina fa mpaniratsira fitondrana. Haingana dia haingana ny fisamborana sy fanagadrana an’i Jean-Luce Randriamihoatra rehefa nolazaina fa niditra tamin’ny tranonkalan’ny CENI,… Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra fa moa tena mitovy tantana ve ny rehetra ? Tranga azo ampahatsiahivina toa maneho fitanilana ohatra ny : fisandohana ny sonia anaran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana natovana tamina taratasy tsy misy ifandraisana nentina nandotoana azy 4 na 5 taona lasa teo, izay nisy fitoriana fa tsy nisy tohiny. Tahaka izany ihany koa ny fitoriana nataon’i Tahina Razafinjoelina mikasika fanalam-baraka, fanosoram-potaka, fanamboarana horonan-tsary sy horonam-peo na « montage vidéo » natambatambatra nentina nampiadiana namotehana ara-politika vao tamin’ireo raharaham-pifidianana vao vita faramparany teo fa tsy nisy tohiny. Teo ihany koa ny fanitsakitsahana sy fametavetana tanteraka ny soatoavina Malagasy nilazana mpikambana iray tao anatin’ny Antoko HVM efa nodimandry kanefa mbola nalam-baraka ho mikononkonona fanonganam-panjakana,… Tsy resaka fanakianana na fitsikerana be fahatany fa filazana ny zava-misy hoe : moa mba nisy tompon’andraikitra ara-panjakana niloa-bava sy nanao fampahatsiahivana sy fampitandremana na « rappel à l’ordre » ve nanoloana an’ireny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT