Fanenjehana ireo mpaneho hevitra

Loakan’ny bala hatramin’ny Hopitaly Befelatanana


  • Zoma 10 Oktobra 2025

Mitohy ny herisetra hataon'ny mpitandro ny

filaminana eto amintsika. Tonga hatrany amin'ireo ivon-toerana tokony arovana sy ambenana ny bala tena izy. Anisan'ny lasibatra omaly Alakamisy 09 Oktobra ny hopitaly fandraisana mpiteraka etsy Befelatanana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia bala miisa 5 tena izy no indray tafiditra tao amin'ny efitrano fanaovana fitarafana na Écho ao amin'ity hopitaly ity. Mihorohoro vokatr'izany ireo mpiteraka. Toraka izany koa ireo mpisafo sy ireo olona handeha hamangy fianakaviana. Tsy lazaina intsony ireo mpitsabo sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Ankoatra ity tranga mampalahelo ity moa dia vehivavy iray ihany koa no fantatra fa toran'ny baomba mandatsa-dranomaso omaly teny Anosy teny.
Pati
Légende : Tahaka izao ilay bala nitefotefoka omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT