FANENDRENA PDS -CUA

Tokony tamin'ny herinandro teo hoy ny sendika


  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Samy naminavina avokoa ny

ankamaroan'ireo sendika eo anivon'ny kaominîna Antananarivo renivohitra fa tokony notendrena tamin'ny herinandro teo ny Filohan'ny delegasiona manokana hitantana ny CUA. Tokony hisy mpanapa-kevitra mantsy ny tanana amîn'izy ireo hahafahana mamaha ny olan'ny mponina amin'ny andavanandro. Ho an'ny sendika mahaleo tena tantanan'Atoa Clément John dia nambarany fa maika ihany ny fanendrena ny PDS. Vitan'ilay lefitra voalohan'ny Ben'ny tanana teo aloha ihany mantsy ny fikarakarana sy ny fandoavana ny karaman'ny mpiasa hoy izy saingy raha misy mpandraharaha vonona hiara-kiasa amin''ny kaominina Antananarivo renivohitra kosa dia tsy azo tanterahina izany. Ho azy ireo manokana dia hangatahiny ny hisian'ny lefitry ny PDS miisa 2 ka mba hisy mpiasan'ny kaominîna tafiditra ao anatin'izany izay notsindriany manokana fa mahalala tsara ary tsy zoviana amin'ny maharary ny mpiasa. Nomarihin'Atoa Clément John fa mety sy tsara raha olona hentitra sy vonon-kiady amin'ny kolikoly no hapetraka hitantana ny kaominîna Antananarivo renivohitra. Tena ilaina izany hoy izy hahafahana mampandeha ny raharaha rehetra amin'ny an-tsakany sy an- davany no sady hisorohana ny gaboraraka ihany koa.
Pati
Légende : Ny Filohan'ny sendika mahaleo tena eo anivon'ny kaominîna Antananarivo renivohitra Atoa Clément John !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT